<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Hody izahay Zanahary! FFPM335</title>
<lyrics>[V1]
 (Maintimolaly)

[V2]
 Hody izahay, Zanahary !
 Tahio tsara izahay ;
 Ampifalionao ny fonay
 Amin'ny fitianao :
 // Ampifalio //
 Izahay etý an-tany.

[V3]
 Mankasitraka Anao izahay
 Noho ny teny soa
 Izay nampianaranao
 Saina hahasoa anay.
 // Tomoera //
 Aminay isan-andro.

[V4]
 Raha ho faty izahay
 Ka handao ity tany,
 Dia ampifalio izahay,
 Ento ho an-danitra ;
 // Dia faly //
 Izahay mandrakizay.</lyrics>
<hymn_number>335</hymn_number>
</song>